Efa miha-mahazo vahana ary tena ampiasain’ny maro ankehitriny ireo fitaovana ara-teknolojia samihafa. Tsy ambaka amin’izany koa ny sehatra Kristiana isan-karazany. Ireny moa dia fitaovana ihany fa arakaraka ny fomba ampiasaintsika azy ny akony sy ny fahombiazana entiny.
Mazava ho azy fa mora kokoa ny fampiasana azy ireny amin’izao fotoana izao satria efa eny am-pelatànan’ny olona maro ny finday avo lenta mifanaraka amin’izany. Efa miha-mora ihany koa ny saran’ny fifandraisana izay atolotr’ireo orinasa misahana ny serasera.
Fitaovana iray amin’ireo ny Podcast, izay mifototra amin’ny haino na karazana ‘radio’ ampitaina amin’ny tambazotra internet. Maro isan-karazany ny manolotra fandaharana amin’ny sehatra samihafa ao anatin’izany. Anisan’ny mahatsara azy sy mahaliana ny maro aminy dia ny fahafahana mifidy izay fandaharana mahaliana, ary afaka arahanao amin’ny fotoana rehetra mampahalalaka anao izany.
Fironana eo amin'ny fampiasana podcast
Efa tany amin’ny fiandohan’ny taona 2000 no nisian’ny podcast fa tao anatin’ny taona maromaro lasa izay no tena niroboroboan’ity fitaovan-tserasera iray ity. Ny teny hoe “podcast” dia fanakambanana ny teny roa “iPod” sy “broadcast” (fandaharana na ‘émission’).
Nohon’ny fivoarana nisy teo amin’ireo teknolojia samihafa ahazoana manatanteraka fandaharana amin’ny alalan’ny podcast, dia maro na dia ny olontsotra aza no nirona tamin’izany. Tsy voafetran’ny elanenan-toerana sy ny fitaovana goavana sy lafo vidy intsony ny serasera fa nanomboka nipaka hatrany an-tokatranon’ny olona any.
Araka ny fanadihadihana izay asehon’ity sary misy antontan’isa eto ambany ity dia hita ho mahomby tokoa ny serasera atao amin’ny alalan’ny podcast any amin’ny firenen-dehibe. Efa taona vitsivitsy lasa no nanaovana io fanadihadihana io kanefa dia mitohy mivoatra hatrany izany fironana izany. Ankehitriny dia manan-danja lehibe eo amin’ny fiainana andavan’andron’ny olona maro any amin’ireny firenena ireny ny fanarahana podcast.
Azo lazaina ankehitriny fa marobe amin’ireo izay mamokatra sy mizara ary mandefa fandaharana samihafa amin’ny alalan’ny podcast no olon-tsotra izay liana sy tia mizara ny zavatra tiany (passion) mba ho fantatry ny hafa sy hampandroso azy ireny. Ary amin’izao firosoana miandalana — na dia mihazakazaka aza indraindray — ao anatin’ny folo taona manaraka ny 2020 izao, na dia manana fitaovana tsotra (tsy lafo vidy) aza ianao, dia efa afaka mamokatra fandaharana amin’ny alalan’ny podcast ao an-tranonao.
Ny fanarahana sy fihainoana azy ireny koa araka izany dia mihatsotra fa ny anjaranao dia ny mitady izay fandaharana mahaliana sy mety aminao. Raha mbola tsy zatra anefa ianao dia somary sahirana kely ihany amin’ny voalohany noho ny habetsahan’ireo izay azo isafidianana. Saingy rehefa avy eo kosa dia tena ho hitanao fa hanampy anao amin’ny lafim-piainanao samihafa io fitaovana io. Raha eo amin’ny fiainana kristiana no jerena manokana dia efa maro koa ireo fampitana sy fampianarana azo raisina hampitombo ny fahalalana ny Soratra Masina sy hampivelatra ny finoana. Eo anatrehan’Andriamanitra dia sarobidy ny fahalalana tsara na dia misy aza ireo mpino mametraka ny finoana ho herin-tsaina fotsiny ihany ka manamaivana ny fandran-toana izany fahalalana izany.
Ny anjara toeran'ny 'Apps'
Tsy misy izay tsy mahala izany hoe ‘app’ na “application” izany intsony amin’izao fotoana izao na dia ny ankizy aza. Fitaovana iray fampiasa amin’ny finday avo lenta moa izy io mba hanaovana asa na hamitana zavatra iray. Ny podcast koa dia manana “plate-forme” hametrahana sy handrindrana, ary hizarana izany amin’ny mpanaraka na mpankafy.
Amin’ny alalan’ny ‘app’ no hidirana amin’ireny “plate-forme” ireny ka indreto misy vitsivitsy izay anisan’ny malaza sy be mpampiasa indrindra manerana izao tontolo izao. Maro moa izy ireny amin’izao fotoana izao fa sombintsombiny izay ihany ireto aseho eto ireto.
Raha liana amin’ny fampiasana podcast ianao mba hitomboana sy hivelarana amin’ny lafiny samihafa eo amin’ny fiainanao, indrindra fa ny fahalalana ara-pahany, dia tsara raha manomboka mizatra mijery ireo “palte-formes” voatanisa etsy ambony ireo. Misy zava-dehibe mahaliana isan-karazany no azonao arahana amin’ny tenim-pirenena maro samihafa. Misy rohy azonao hidirana izy ireo dia ao ianao no mikaroka izay lohahevitra mahaliana anao. Maro amin’ireo fiangonan-dehibe sy fikambanana kristiana any ivelany sy eto an-toerana no efa mampitao ny mpino amin’ny alalan’ny ‘podcast’.
Ianao koa dia afaka manomboka mihevitra fizarana amin’ny hafa izay lohahevitra manavanana sy fantatrao fa hanampy ny hafa amin’ny alalan’ny fanaovana podcast. Tsy sarotra akory izany fa mila fahavononana sy ezaka. Rehefa tianao rahateo ilay mizara amin’ny hafa ny ‘passion’-nao dia vitanao izany.
Izahay eto amin’ny Andeha Hizaha Discipleship koa dia efa eo am-pamolavolana fandaharana amin’ny alalan’ny ‘podcast’ izay hanomboka hivoaka atsy ho atsy raha sitrapon’Andriamanitra. Ho hitanao eto ihany sy havoaka amin’ny pejy facebook anay ny andinindinin’izany. Dia manasa anao hampiasa ity fitaovan-tserasera ity, ary mirary soa anao mba hahazo fahalalana tsara amin’izany ka hitombo amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy Tompo.