Arahabaina ianao nahatratra ny taona vaovao 2022. Tena fitahiana sy famindram-po avy amin’Andriamanitra, ilay Mpahary sy mpanome aina izany. Isaorana sy deraina Izy noho izany, ary dia apetraka eo am-pelatànany ny fiainantsika rehetra sy manontolo amin’izao taona vaovao diavina izao indray. Lasa iny ny taona teo aloha, toa tahaka ny vao omaly avokoa ny zavatra rehetra, na ny mamy na ny nangidy, na ireo fanahiana maro tsy hita fetra. Fa nahoana tokoa moa? Mandalo fotoan-tsarotra izao tontolo izao. Amin’ny lafiny iray anefa dia endriky ny zava-misy hatramin’ny ela efa niainan’ireo marobe tsy afa-niantsoantso famonjena ihany izany. Fa saingy rehefa nipaka tamin’ireo izay efa zatra fiainana azo lazaina hoe moramora ihany izany, dia hafa mihitsy ny fiakony.
Mba fantatrao ve fa mbola maro be maneran-tany ireo izay zara fa mahita hanina atao am-bava isan’andro na isaky ny andro vitsivitsy? Marobe koa ireo miady amin’ny fiainana, ny tsy fandriampahalemana, fanenjehana, sns..? Manginy fotsiny ny ady amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana izay mampanahy mafy tokoa raha ny antontan’isa sy ny zava-misy no jerena. Fa izay ilay tontolo iainantsika eto amin’ity izao tontolo izao izay noharian’Andriamanitra ity. Tsy mihatsara akory fa miharatsy ny fiainantsika eto an-tany, izay lazain’ny Baiboly rahateo izany.
Mijery ny lasa dia mandinika ny hoavy
Noho ny fihazakazaky ny fiainana dia mora loatra ho antsika ny mandeha tsy ankijanona. Toa tsy te-hijery izay làlana naleha sy manopy maso ny mbola hodiavina akory aza matetika. Ny zava-misy ara-pahasalamana noho ny valan’aretina nahamay izay mbola atrehantsika hatramin’izao moa no tena anisany mahatonga izany. Kanefa raha te hitraka sy hanovo fanantenana vaovao ary hahomby amin’izay lafim-piainana misy antsika isika dia tsy maintsy miato mandinika. Ianao ve efa mba nanao jery todika iny taona lasa iny hatreto? Ary efa mba nisaintsaina izay mba faniriana sy hetaheta ary tanjona tiana ho tratra amin’ity taona vaovao vao manomboka ity?
Fahazarana tsara ny mandray an-tsoratra izao zava-dehibe eo amin’ny fiainana, dia manao tomban’ezaka amin’ny fotoana mety amin’izany. Tsy atao an-tsaina fotsiny koa anefa izany rehefa ilay mba matory maraina iny ka tafajanona eo am-pandriana misaintsaina. Tena ilaina soratana mihitsy dia jerena matetika mba hifantsika ao an-doha ny antsimpirihany ka ho mora kokoa avy eo ny mandeha amin’ny làlana irina.
Marina tokoa fa ny kolontsaintsika Malagasy ohatra dia mifantoka kokoa amin’ny isan’andro, ny hita maso, ny azo tsapain-tànana, sns… Eny fa na dia ny Kristiana izay miaina eo anivon’izany fiarahamonina izany aza dia voavolan’izay foto-pisainana izay ka manao ambanin-javatra ny fandinihana sy fametrahana planina mazava eo amin’ny fiainana. Matetika dia hoe, “Aleo hotarihan’ny Fanahy!” Kanefa ny Fanahy Masina dia Andriamanitra, ary Andriamanitra dia miasa amin’ny alalan’ny Teniny. Tsy azo atao fialana andraikitra izany ny Fanahy Masina fa tokony hahatonga antsika ho lehilahy sy vehivavy lehibe amin’ny finoana mahatratra ny ohatr’i Jesoa Kristy aza. Izany karazana fiainam-panahy “mandeha ho azy” izany dia tsy hitantsika velively tamin’ny fiainan’i Jesoa sy ireo Apostoly mihitsy.
Noho izany, ny taona no vaovao, isika afaka manao fanombohana vaovao koa, fa ny zavatra rehetra tsy afa-misaraka amin’ny lasa sy izay mety ho fitrangan’ny hoavy. Entina hanentanana sy hanampiana anao dia misy “ressources” vitsivitsy ireo azonao raisina. Ny voalohany amin’izany dia ny fialana amin’ny ‘fangatahana andro’ (procrastination). Tena anisan’ny manimba voalohany ny fametrahana lamina sy tanjona amin’ny fikasana samihafa eo amin’ny fiainana io fomba miiba iray io.
Ny fitaovana faharoa anisan’ny manampy be dia be koa dia ilay antsoina hoe ‘Objectifs SMART’ — izany hoe fananana Tanjona SMART. Hidiro ity rohy amin’ny alalan’ny sary eto ambany ity mba hahalalanao bebe kokoa ny amin’izany. Na dia efa mahalala tsara koa aza anefa ianao dia mampitombo foana ny mamerimberina. Izy io dia mampahazava sy mametraka amin’ny toerany ny rafi-pisainantsika manoloana ny asa rehetra sy fikasana izay misy tanjona sy zava-kendrena. Ho hitanao fa rehefa zatra manao izany ianao dia mora kokoa ho anao ny manitsy ny dia rehefa eny an-dàlana eny raha sendra ka miborioka, manamafy ny fifantohana, ary indrindra manome risi-po hanohy na dia eo aza ireo sakantsakana samihafa izay tsy maintsy misy foana.
Inoana fa hahita soa amin’izany fahazarana vaovao izany ianao ka hitombo sy hivelatra hatrany eo amin’ny lafim-piainanao rehetra sy manontolo. Izahay eto amin’ny Andeha Hizaha Discipleship koa dia vonona hanampy anao ka aza misalasala manoratra aminay raha misy fanontaniana na hetaheta avy aminao mpamaky.
Ho fehiny dia sady mamporisika no mampahery no milaza koa fa ny fahitana fahombiazana amin’ny zavatra atao, na vao atomboka, na efa an-dàlana, na efa mamarana, dia ny fananana fahatokisan-tena amin’ny finoana, indrindra amin’ny alalan’ny fahazavan-tsaina omen’ny Soratra Masina – araka izay hita ao amin’ny Sal. 37:5, “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.”