Tena efa vonton’ny Filazantsara ity firenena iray raha ny isan’ny fiangonana ao aminy no jerena (*). Ary tsy ny trano fiangonana ihany nefa no maro ao fa tahaka izany koa ny isan’ireo mpivavaka mamonjy fiangona ao aminy rehefa Alahady sy andro fety malaza amin’ny Kristiana. Maro araka izany ireo mandray ny tenany sy ny hafa, mitonona sy milaza azy ho Kristiana, mpanompon’Andriamanitra, sy ny tahak’izany.
Rehefa jerena kosa ny fiainan’ity fireneny ity dia tsy hita akory fa tsy mitsaha-mitombo ny endriky ny faharatsiana samihafa: ny halatra; ny vonoan’olona; ny fanolanana; ny ady lahy; sy ireo maro tsy voatanisa. Ny fahantrana moa izany dia tsy lazaina intsony… Dia rehefa mifampiresaka ny samy kristiana ao aminy manoloana izany dia milaza hoe: “Tena efa akaiky ny farany e! Efa tanteraka daholo izay ambaran’ny Soratra Masina.” Araka ny voasoratra ao amin’ny 2 Tim. 3:1-4 manao hoe:
“Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. 2 Fa ny olona ho tia tena , ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, 3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, 4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’ Andriamanitra.“
Asa raha masiaka ve izao fomba fiteny izao hoe: toa lasa ataon’ny Kristiana fiolanana na fialana (prétexte) sisa izany Soratra Masina izany ankehitriny fa tsy misy maha Soratra Masina azy intsony aminy. Hany ka tsy misy intsony ny fandraisaina andraikitra fa toa mijery maso sisa no ataony — na ny Kristiana isam-batan’olona io na ny fiangonana ihany koa. Toa saika mionona fotsiny amin’ilay hoe: rehefa vita ny fitoriana; “Tia anao Andriamanitra, maty ho anao Jesoa Kristy, minoa Azy dia hovonjena ianao”; sns… dia ampy izay. Tsy misy maharatsy an’izany akory satria ny ho vavolombelony tokoa no niantsoany ny mpino, fa rehefa mandinika dia toa manjary lasa fahazarana sisa izany ankehitriny. Sanatria tahaka ireny zaza mamerin-desona ireny e! Izany hoe lasa atao tsianjery sisa fa tsy hiainana intsony ilay fitoriana.
Dia ahoana tokoa moa izany!? Satria ve efa izay no voalaza ka tena tsy misy hevitra intsony?
Natao ohatra ihany ity firenena iray ity fa miantefa amin’ny mpino rehetra ny hafatra ambara eto. Andeha tsy ho raisina an-tendrony izay ambaran’ny Soratra Masina ka mety hitarika antsika ao anatin’ny fahadisoan-kevitra na ihany koa ny tsy firaharahiana (indifférence). Raha ny Soratra Masina tokoa manko no dinihana dia efa saika tanteraka avokoa ny voalaza ao ary izany indrindra no tokony hampahery ny mpino sy vao maika hitarika azy amin’ny fankatoavana ny didin’Izy Tompo. Tsy hieritreritra ny hanakana sy hanafoana ireny karazana faharatsiana ireny koa anefa no anjara fa kosa tena hijoro amin’ny fahamarinana araka ny sitrapony’Izy Tompo tokoa.
Izay àry no izy e! Diniho ny tenantsika dia diniho Jesoa Kristy! Diniho ireo asa rehetra nataony dia jereo hoe aiza ho aiza amin’izany ny fitomboantsika amin’ny fanahafana Azy? Fa hoy Izy araka ny Jao. 14:12a, “Fa lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa.“
Saintsaino izany anio ary!!!
* Antontan’isa tsara jerena (rohy): Isan’ny Kristiana isaky ny Firenena.