Fivondronana Kristiana vitsivitsy misehatra amin’ny lafim-piarahamonina samihafa, ary vonona hijoro eo amin’ny sehatra rehetra iantsoan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-mpianany, indrindra fa hanatanteraka ny baikony hanao mpianatra ny olombelona rehetra.
Inona ny tanjonay?
- Hahita ireo mpiara-monina akaiky sy lavitra noho ny antony samihafa hahafantatra sy handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy feno.
- Hijoro ho ohatra velona ho an’ny hafa amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anay eo amin’ny lafim-piainana rehetra sy manontolo.
- Hampitao sy hanohana ireo izay resy lahatra amin’ny antson’i Jesoa Kristy hanaraka Azy amin’ny alalan’ny fampielezana sy fampianarana ny Tenin’Andriamanitra, sy ny fanomezana fahalalana tsara isan-karazany.
- Hanohitra ny fampianaran-diso amin’ny endriny rehetra izay miha-mahazo vahana eo anivon’ny fiarahamonina ka mahababo ny olona maro, eny fa na dia ny mpino Kristiana koa aza.
- Hijoro amin’ny fahamarinana sy hampanjaka ny fiadanana araka izay ambaran’ny Soratra Masina irery ihany, dia ny Baiboly.
- Hivavaka ho an’izao tontolo izao araka ny 1 Timoty 2:4.
Iza avy ireo miara-miasa ato?
Mpino Kristiana resy lahatra feno sy tanteraka fa Jesoa Kristy irery ihany no Tompo sy Mpamonjy ny fiainany sy izao tontolo izao, manaiky feno sy tanteraka fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra ka naneho tamin’izy ireo ny famonjena ao amin’i Jesoa Kristy; ny Baiboly dia loharano sy ivon’ny fifalian’izy ireo. Izany indrindra no mahatonga sy manosika ary manentana azy ireo hizara sy hampahafantatra ny Baiboly amin’ny olona hafa.
Inona ny soatoavina iorenanay?
Ireo fahamarinana marobe ampianarin’ny Soratra Masina, ka anisan’ny fototra amin’izany ireto:
- Izao tontolo izao sy ny zava-boarahy rehetra sy manontolo dia noharian’Andriamanitra tamin’ny hatsarany sy tamin’ny alalan’ny heriny.
- Andriamanitra Telo izay Iray: Ray, Zanaka, Fanahy Masina; manana ny fahefana sy fiandrianana rehetra hatr’izay sy ho mandrankizay.
- Jesoa Kristy ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo tamin’ny alalan’i Maria Virijina noho ny herin’ny Fanahy Masina, tsy nanana ota Izy fa nanaiky ho ota ka nanolotra ny tenany hijaly sy hofaty teo amin’ny hazofijaliana ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo ka velona mandrankizay.
- Ny olombelona rehetra dia mpanota sy nateraka tamin’ny ota ka mendrika ny fitsaran’Andriamanitra sy hofaty mandrankizay.
- Ny fitiavan’Andriamanitra tampitrohatra ny olombelona rehetra no nanomezany an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy izao tontolo izao ka hanana sy handova ny fiainana mandrankizay.
- Ny fanomezan’Andriamanitra ny famonjena dia maimaimpoana noho ny fahasoavany ho an’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy, mahafohy izao tontolo izao, ary mahatoky sy miankina aminy amin’ny finoana isan’andro.
- Izay tsy mino an’i Jesoa Kristy kosa dia homelohina any amin’ny fahaverezana mandrankizay.
- Ny fiainam-baovao ao amin’i Jesoa Kristy dia iainana amin’ny finoana sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina isan’andro isan’andro.
- Ny Fanahy Masina no manavao ny mpino isan’andro sy maniraka ary manome hery amin’ny asa tsara rehetra amin’ny fitorian’ny Fiangonana ny Filazantsara.
- Androm-pamonjena izao fa ho avy kosa ny fitsarana amin’ny fihavian’i Jesoa Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra indray hitsara ny olona rehetra ary hampakatra ny mpino marina rehetra hiaraka Aminy any amin’ny fiainana mandrankizay.
- Ny fanjaka’Andriamanitra feno sy tanteraka amin’ny tany vaovao sy lanitra vaovao, ary ny fanamelohana mandrankizay ireo tsy mino any amin’ny helo.
“Ny marina amin’ny finoana no ho velona.”
Romana 1:17