Lafin-javatra maro be no mamaritra ny antom-pisian’ny olona amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Raha tarafina ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina dia samy manana izay imatimatesany ny rehetra, mety hoe misy amin’izy ireny mitovy lafin-javatra katsahina, fa izay itovizan’ny maro dia ny mahasoa ny nofo aloha. Firifiry amin’ireo manana aretina moa no tsy mikendry fahasitranana? Ary firifiry amin’ireo tsy manana asa no mipopopopo etsy sy eroa, miala maraina ao an-trano ary ny hariva vao mody mitety orinasa mba hitady izay hahafaha-mampidi-bola? Tsy ratsy ho azy amin’izao tsy akory ireny fa ilay fametrahana azy ho laharam-pahamehana noho izay An’Andriamanitra no tiana hasian-teny.
Tsy zavatra azo anaovana safidy amin-javatra hafa akory ny hoe fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra aloha, tsy hoe ampitoviana laharana amin-javatra sasany koa fa tena ny voalohany safidiana mihitsy. Mazava izay ampianarin’ny Soratra Masina amintsika ao amin’ny Mat. 6:33:
“Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anareo izany rehetra izany.”
Tsy hoe mampianatra antsika tsy hihevitra ny amin’ny maha olona antsika Andriamanitra fa mitarika antsika hanao safidy mazava ny amin’izay mahasoa aloha. Manan-danja lehibe Amin’Andriamanitra ny fanahintsika, tsy hoe latsa-danja akory ny nofo, izany indrindra no tiany hapetraka amin’ny hoe katsaho aloha ny fanjakany. Ny mahasoa ny fanahintsika no laharam-pahamehana Aminy ary izany indrindra no hitarihany antsika hametraka Aminy Ilay Andriamanitra Fanahy ho Lohany sy Sarobidy eo amin’ny fiainantsika.
Izay asian-teny amin’ny fanatanterahana ny hoe “katsaho aloha ny fanjakany” dia izay nolazain’i Jesoa ny amin’ny hoe (Lio. 10:27):
“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra”
Mazava izay ampianarin’ny Tompo antsika fa ny tokony ho laharana voalohany eo amin’ny fiainantsika dia Izy Andriamanitra, ny hoe manontolo dia izay ananana rehetra, tsy anombinana na hoe ampahany. Koa izay asaina ataontsika dia isika mitia manontolo Azy Andriamanitra, ny Azy aloha, avy eo manaraka ho azy ny sisa.
Fa mifanindran-dàlana amin’izany koa izay ambaran’i Jesoa amin’ny hoe (Lio. 14:33):
“Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.”
Tsy lafin-javatra natao ho anjorom-bala akory na ho fara safidy Andriamanitra fa Ilay safidy voalohany mihitsy. Araka izay lazain’i Jesoa eto dia hoe izay rehetra mihitsy no afoy fa tsy hoe ampahany fotsiny ihany. Ary tsy azo ekena ho mpianany raha mbola ny nofo no atao ho zava-dehibe.
Koa katsaho ny fanjakan’Andriamanitra aloha. Manaraka ho azy ny sisa avy eo.