Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia voamariky ny fanomezana samihafa ny andro Krismasy. Ny Baiboly koa rehefa mamaky ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesoa tao Betlehema isika dia mahita izany tamin’ny alalan’ireo Magy. Mazava be ny ambaran’ny Soratra Masina fa Andriamanitra mihitsy no tia manome ka na dia ny sarobidy indrindra taminy aza dia nafoiny nomena mba hamonjena ny zanak’olombelona.
Tenin’Andriamanitra tonga ao an-tsaina avy hatrany na dia mbola zaza aza ny ao amin’ny Jaona 3:16. Efa diso fantatra sy vita tsianjery loatra aza ka indraindray tsy tena fantatra tsara intsony ny dikany. Ity andinin-tSoratra Masina ity dia azo lazaina fa mamintina ny ivon’ny Filazantsara — antsoina koa hoe Vaovao Mahafaly — ka mahafinaritra ery ny mahita zaza mibadabada manao tsianjery an’io rehefa amin’ny fotoanan’ny hazo Noely any am-piangonana.
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."
Jaona 3:16
Ny zava-dehibe voalohany ambaran’ny Baiboly dia hoe “fitiavana” Andriamanitra, ary rehefa milaza an’izany ny Soratra Masina dia maneho mazava fa mifamatotra amin’ny fanekeny ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy fitiavana tahaka ny antsika olombelona ny Azy fa fitiavana marina sy tanteraka. Mifanipaka tahaka ny atsimo sy avaratra mihitsy ny fitiavantsika sy ny fitiavany ka tsy azo ampitahaina akory.
Ny zavatra iray faharoa izay tena ahafantarana ny Krismasy dia ny nahaterahan’i Jesoa ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo. Mahavariana fa na ireo tsy mino an’Andriamanitra izay ambaran’ny Baiboly aza rehefa tonga ny fotoanan’ny Krismasy dia mba mifaly amin’ny fombany koa. Tsy ambakan’izany ireo mpivarotra samihafa izay tena manararaotra tokoa io fotoana io hanaovana tombombarotra miompampana. Fa tsy mino nefa ny maro amin’ireny olona ireny fa Zanak’Andriamanitra Jesoa.
Misy koa ireo izay toa mandala ihany ny fahagagana nataon’Andriamanitra hatramin’ny fahariany izao tontolo izao, nefa dia tsy mety mino fa afaka niteraka ny vehivavy virijina. Misy karazana fanoherana bontolo ny finoana Kristiana izay miseho lany eny amin’ny fiarahamonina eny hatry ny fahagolan-tany. Fa mba ahoana kosa ary no endriky ny finoan’ny maro, indrindra fa ireo izay mitanjozotra mankany am-piangonana rehefa tonga ny andro Krismasy?
Farany, ny fitiavan’Andriamanitra koa dia mifamatotra foana sy tanteraka amin’ny fahamarinany. Tsy ny olona rehetra no hovonjen’Andriamanitra fa izay mino an’i Jesoa Kristy irery ihany. Fiteny toa mahazatra koa rehefa tonga ny Krismasy ny hoe, “teraka ao am-ponao… ao am-pontsika koa Jesoa…”, izay diso tanteraka satria tsy milaza an’izany ny Soratra Masina. Izay rehetra mino fa Jesoa Kristy irery ihany no Mpamonjy izao tontolo izao dia efa itoeran’Andriamanitra feno amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary mitafy an’i Jesoa. Tsy ny filazana na ny fandraisana io fomba fiteny mahazatra io no manova izay fahamarinana fototra ambaran’ny Soratra Masina izany.
Tsy misy fahagagana goavana tahaka izany hoe Andriamantira tonga olombelona izany hatr’izay hatr’izay. Vao manomboka ny filazantsara araka an’i Jaona dia maneho mazava izany. Fa rehefa mijery ny teny manodidina ao amin’io Jaona 3:16 io koa isika dia mahita fa “raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra”.
Ny finoana marina izay ambaran’ny Baiboly dia finoana manova tanteraka ny olona iray satria asan’Andriamanitra izany. Ny finoana mahavonjy dia finoana manova ary mifamatotra amin’ny fibebahana. Ny olona mbola tsy nibebaka izany dia tsy “hanana fiainana mandrankizay” na ahoana na ahoana heviny sy fanantenany ny amin’izany.
Ny mampalahelo moa dia tsy resahana firy intsony, eny fa na dia any amin’ny fiangonana maro aza ny fampianarana fototra (doctrine) ny amin’ny fibebahana. Teny miverimberina ao amin’ny Baiboly anefa izany, ary iray mazava be izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny Asa 17:30, “fa ankehitriny Izy dia mandidy ny olona rehetra hibebaka”.
Tsy fihatsarana ety ivelany ny fibebahana fa manomboka any anatin’ny olona mihitsy ary mipaka ety ivelany, ary natao ho vavolombelon’izany eo amin’ny fiarahamonina isika izay efa nibebaka marina tokoa.
Ny fanomezana lehibe indrindra izay nataon’Andriamanitra ao anatin’ny fonosana tsarovantsika sy hiderantsika Azy rehefa Krismasy ary dia ny famonjena maimaim-poana ahy, anao, sy ny olombelona rehetra izay mino ny fitiavany ka miantoraka amin’i Jesoa Kristy Zanany, dia miaina fiainana isan’andro feno fiovana. Ho aminao sy ny ankohonanao anie ny fiadanany izay efa nambaran’ny anjely tamin’ny andro nahatongavan’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao.