Amin’ny maha-blaogy an’ity ‘site web’ ity, dia misy lahantsoratra maro samihafa ho hitanao hivoaka eto. Vao manomboka izao ka mbola vitsivitsy no azonao vakiana fa hitombo miandalana izany, ary entanina ianao mpamaky hijery matetika ny zava-baovao mivoaka ato. Anisan’ny lohahevitra iray na fitaovana tsara sy mahomby enti-mivelatra sy mitombo amin’ny fahalalana tsara isan’andro koa ny boky, izany hoe ny famakiana boky. Araka izany dia anisan’ny sokajy nofidianay hanoratana ny mahakasika an’io, ka hoentina manomboka izany dia rariny loatra raha mitodika manokana amin’ny Boky izay maha-Kristiana ny mpino Kristiana izahay etoana.
Resaka ankapobeny mahakasika ny Baiboly no hatsidika eto amin’ity famoahana lahantsoratra iray eto ity. Maro no mahafantatra sy efa nahita ary mampiasa ny Baiboly, nefa vitsy no mahalala ny mombamomba azy sy ny tantarany ary ny zavatra raiketiny. Na ny Kristiana aza dia toa tsy dia liana loatra amin’izany famakiana sy fianarana ny Baiboly izay Tenin’Andriamanitra izany amin’izao vanim-potoana izao. Azo lazaina hoe mangetaheta ambony lakana ihany ny sasany raha izany zava-misy izany no dinihana.
Araka io teny nambaran’i Theodore Roosevelt, filoham-pirenena Amerikana tany aloha io, dia nanana ny lanjany sy ny akony manokana teo amin’ny tantaran’ny fiarahamonina samihafa eto amin’izao tontolo izao ny Baiboly, ka niako teo amin’ny sehatra samihafa. Anisan’izany ohatra ny tantaran’ny nanafoanana ny varotr’andevo izay izay nitranga tamin’ny faraparan’ny taonjato faha-19. Ny tantaran’ny fanabeazana tamin’ny firenena maro koa dia saika nifamatotra tamin’ny fanelezana ny Baiboly mba ho azon’ny olona rehetra hovakiana. Ary satria Tenin’Andriamanitra ny Baiboly dia voalohan-karena ny fahalalana lalina azy (Oha. 9:10).
Ny Baiboly koa no boky mitana ny laharana voalohany mazava ho azy eo amin’ny famarotana boky – ilay antsoina hoe “Bestseller” na dia tsy ho fantatra mazava aza ny isan’ny voasoratra na voatonta sy lafo hatr’izay. Maro koa anefa ireo nanao ezaka tsy omby tratra mba hamoanana ny fiparitahan’ny Baiboly teto amin’izao tontolo izao kanefa tsy nahafoana azy izany fa vao mainka toa afo mololo nitarika ny fielezany sy ny famakian’ny olona azy indray aza. Mazava rahateo izay voasoratra amin’ny Soratra Masina (Isa. 40:8; Mat. 24:35; 1 Pet. 1:25).
Misy antontan’isa tsara ho fantatra ireto mahakasika ny Baiboly. Inoana fa hampahery anao sy hahatonga anao hanao hetsika amin’ny famakiana, fianarana, fandalinana, fiainana, ary fanelezana ny Baiboly izany. Tsy vitan’olon-drery na fikambanana iray na maromaro ny fanaparitahana ny Baiboly fa tena ilana ny mpino tsirairay avy. Baikon’i Jesoa rahateo izany amin’ny fanaovana “mpianatra” ny olombelona rehetra. Raha mameno antsika ny fitiavan’Andriamanitra dia mameno ny fontsika koa ny hahatonga ny Teniny ho eny am-pelatànan’ny olona tsirairay eto amin’izao tontolo izao. Dia mandray izay andraikitra tandrify azy amin’izay ny mpino isam-batan’olona. Maro ireo tantara mahavariana sy mahagaga ka toa tsy mampino nitranga teto amin’izao tontolo izao noho ny asan’ny Fanahy Masina nahatonga ny Baiboly ho eny am-pelatànan’ireo izay nitady an’Andriamanitra marina. Tian’Andriamanitra ho ao anatin’ny tantara izay soratany koa izaho sy ianao raha manaiky ny iraka ampanaoviny.
Ny Wycliffe koa dia anisan’ireo mamoaka ny tsara ho fantatra mahakasika ny asa atao sy ny zava-misy momba ny Baiboly. Raha misy fanontaniana manitikitika anao dia aza misalasala manoratra aty aminay. Andao hanao tana-maro ny asa fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fanelezana ny Baiboly. Asa mafy tokoa izany saingy tsarovy fa ny herin’Andriamanitra no efa nomeny antsika (Asa 1:8). Ny antom-pahavelomantsika mpanara-dia an’i Jesoa dia ny ho vavolombelony eto amin’izao tontolo izao izay mangetaheta “rano velona” ity. Tsy azo angatahana andro izany!
Afaka manoratra aty aminay koa ianao raha manana tantara manokana mampahery mahakasika ny Baiboly sy ny fanelezana azy na taiza na taiza. Raha eto Madagasikara manokana dia mbola maro ireo tsy manana sy tsy mahita Baiboly ka ilana ezaka goavana. Ny Tompo Jesoa ilay lohan’ny fiangonana sady naniraka antsika anie homba anao.
Hianatra sy handalina tenin’Andriamanitra