Azo heverina fa taitra ihany angamba ianao rehefa namaky ny lohatenin’ity lahatsoratra ity. Ambony ambany hoe? Izany tokoa satria mifanohitra tanteraka amin’ny fisainana sy fahendrena maha-olombelona ny fomban’Andriamanitra. Ny zavatra iray izay asongadin’ny Baiboly ohatra dia ny fanompoana amin’ny toerana tena ambany.
Mahagaga fa eo amin’ny tontolon’ny fiarahamonin’ny biby dia izay manompo ny rehetra no tena apetrak’ilay fiarahamonina ho mpitarika azy, dia izay mamatsy amin’ny sakafo sy ny filana fototra, ary miaro ny rehetra amin’ny fahavalo. Izany hoe tsy tonga ho azy mihitsy ny toerana maha-mpitarika eo amin’ny fiarahamonina itoeran’ireny biby ireny fa manaraka rindra voajanahary. Misy karazana vorona ihany koa rehefa manidina amin’ny elanelana lavitra, dia miaraka maromaro ary mifandimby mitarika eo aloha. Ny antony dia ilay mpitarika no tena mitsena ny rivotra ka moramora kokoa ho an’ny ambiny manidina ato afara ny fanidinana – izany hoe tsy mandreraka. Hitantsika izany rehefa misy vorona manidina andiany ka manao faritra karazana telolafy eny anabakabaka eny.
Ny famaritana ny ‘fitarihana’ (leadership) na antsointsika koa ankehitriny hoe ‘haitarika’ dia niovaova araka ny fotoana. Noho izany dia nisy karazana mpitarika marobe isan-karazany teto amin’izao tontolo izao hatry ny fahagolan-tany. Misy amin’ireny no nanana ny lazany — tamin’ny tsara na tamin’ny ratsy. Misy koa ireo izay tsy nahomby mihitsy ka tsy notsarovana akory na ny fisiany aza. Ary hatramin’izao vanin’andro ankehitriny izao dia mbola mikaroka ireo mpandinika hoe endrika sy fomba fitarihana manao ahoana no tena mahomby eo amin’ny fiarahamonina misy antsika.


Ny ambaran'ny Soratra Masina
Manana zavatra ambara be dia be ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, rehefa miresaka haitarika isika. Ny ankamaroan’izany anefa dia tsy hita raha tsy mianatra sy mandalina ary mampihatra (miaina amin’ny fiainana andavan’andro) izay raiketin’ny Baiboly isika. Somary mampalahelo ihany ary manahirana koa aza indraindray fa misy ireo olona manam-pahaizana mpanoratra boky tsy mpino Kristiana no milaza rehefa antontanian’ny Kristiana hoe, “Mba taiza no nanovozanao izany fitsipika samihafa momba ny haitarika izany?” Ny valiny omen’ilay mpanoratra dia hoe, “Tao anatin’ny Baibolinareo daholo anie izany no nalaiko dia novelabelariko sy nolazaiko tamin’ny fombako fotsiny eh!” Tiana anehoana izany fa raha mifototra marina amin’ny Soratra Masina sy eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina ny fitarihana nametrahana antsika, dia manankarena ary tsy maintsy mahomby sy miako amin’ny fiainan’ny olona manodidina antsika.
Andininy vitsivitsy avy ao amin’ny Baiboly izay mahavariana sy mampandini-tena ary mampanetry tena foana ilay milaza ny amin’i Jesoa ao amin’ny Fil. 2:5-11.
“… fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo…”
Rehefa nampianatra ireo mpianany koa Jesoa — ireo 12 lahy nirahiny ho Apostoly — dia nampiseho ny tenany ho ohatra velona mihitsy aloha. Anisan’izany ny nanasany ny tongotr’izy ireo mialohan’ny nisamborana Azy. Ny tonga ao antsain’ny maro foana rehefa miresaka fitarihana ara-Baiboly dia izay nampianariny ny mpianany ao amin’ny Mat. 20:26-28.
“… ary izay te ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponare.”
Misy endrika fanompoana roa voalaza ao anatin’ireo andininy ireo. Ilay faharoa manokana dia milaza fanompoana farany ambany raha ny toerana misy ety ivelany kanefa farany ambony amin’Andriamanitra raha ny toerana misy ao anaty (ao am-pon’ny olona). Raha te ho mpitarika mahomby ianao dia tsy maintsy mianatra manompo ao anatin’ny fanetren-tena na fanafoanana ny tena. Tsy misy lala-manivaka ao amin’ny Tompo. Dia mazava ho azy fa fiainana iray manontolo ny haitarika.
Nahoana ary no lazaina hoe “ambony ambany” ny fitarihana Kristiana? Satria tsy araka ny fihevitra sy fahendrena maha-olona isan-karazany izay malaza fa araka ny ohatra velona nampianarin’i Jesoa Kristy. Ary tsy ny Testamenta Vaovao ihany no mampianatra haitarika miompana amin’izany fa misy lafiny marobe koa lazain’ny Testamenta Taloha. Misy vitsivitsy amin’izany ireto:
Andriamanitra mihitsy no modely raha ny haitarika ara-Baiboly no resahana. Noho izany, izay rehetra mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia manahaka Azy amin’ny lafim-piainany rehetra sy manontolo. Voalohany amin’izany ary hitan’ny fiarahamonina ety ivelany ny fitarihany, na eo amin’ny sehatry ny fiangonana sy ny fanompoana izany na eo amin’ny fiarahamonina sy ny asa.
Ao amin’ny Testamenta Vaovao, rehefa niova fo Paoly Apostoly, ny antsimpiriham-piainany rehetra dia mampianatra antsika lesona sy fitsipika mahakasika ny haitarika. Ahitana manokana ny fiainan’i Paoly an’izany ny Asa 27 sy 2 Korintiana. Raha voavakinao tsara ireo ka hianaranao dia azo antoka haharay leso be dia be ny amin’ny haitarika ianao.
Farany, ny fampitahan’i Paoly ny tenany, ny fiainany sy ny fanompoany, ary ny fitarihany aza dia tahaka ny mpanompo na andevon-tsambo farany ambany. Tsy mahagaga izany satria tena niova fo i Paoly. Hoy izy hoe “tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko” (Gal. 2:20).