Marina tokoa fa ny soratra dia mitoetra. Ireo olo-malazan’ny serasera sy kabary samihafa dia tadidy tamin’ny teny nolazain’izy ireny na ny asa soratra napetrany ho an’ny taranaka. Ho enti-mizara ny fahendrena izay nananan’ireo zoky sy raiamandrenintsika tany aloha, dia mino izahay fa tsara ny mianatra sy mandinika avy amin’ny teny nambaran’izy ireny. Fitaovana azo lazaina fa mahomby koa ireny teny voalaza na “citations” izay mbola voarakitra mandrak’ankehitriny ireny. Hizara izany matetika eto izahay araka ny fandraisanay sy ny fandinihanay izay hevitra fonosiny. Ary satria moa manambara fahamarinana voazaha toetra ny maro amin’izy ireny – izany no nahatonga azy naverimberina sy nampiasain’ny taranaka taty aoriana, dia tsara ampiasaina sy hanefena ny lasin-tsaintsika koa manoloana ny fanarahantsika an’i Jesoa Tompo isan’andro.
Maro amin’ny mpino Kristiana no milaza fa mitady sy mirakitra ireny “citations” samihafa ireny mihitsy satria tena mifono hevi-dalina mahasoa sy mampandroso ny maro amin’izy ireny. Tombon-tsoa azo avy amin’ny fahalalana azy koa ny tolo-tsaina sy haingam-panahy omeny. Ny Baiboly koa dia mirakitra “citations” maro. Ny Testamenta Vaovao ohatra dia mampiasa izay voalazan’ny Testamenta Taloha. Jesoa dia nampiasa teny maro avy ao amin’ny Deoteronomia sy Salamo. Ankoatr’izany, misy aza avy amin’ny olona tsy voatery ho mino an’Andriamanitra. Anisan’izany ny nambaran’i Paoly ao amin’ny Asa 17:28.
Hojerevantsika eto amin’ity lahantsoratra ity ireo tenim-panhendrena na “citations” avy amina Pastera sy mpanoratra Amerikana iray, dia i A. W. Tozer. Maro ireo asa sorany malaza sy nanana akony teto amin’izao tontolo izao, na ho an’ny Kristiana manokana, na ho an’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny.
Rehefa mandinika tokoa isika araka ity voalazany ity dia misy andinin-tSoratra Masina maro mitamberina ao an-tsaina. Fantatsika fa Andriamanitra no nanao ny zavatra rehetra, Izy koa dia amin’ny toerana rehetra (omniprésent). Saingy ny tsy mpino dia tsy afaka mahita Azy satria tafasaraka aminy. Mazava be koa ny voasoratra ao amin’ny Isa. 59:2, “Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo”. Tsy hita amin’ny maso sy saina Andriamanitra fa amin’ny finoana sy ny Fanahy Masina. Tsy mitovy velively mihitsy ny olona mankatoa an’Andriamanitra sy ny mpanao an-tendro-molotra fotsiny. Ary fifaliana tsy hay lazaina ny fahasoavana sy famindram-po amin’ny fahafahana mahita Azy amin’ny toerana misy anao rehetra, na ao anatin’ny mamy na ny mangidy izany. Tena lakile mihitsy eo amin’ny fiainan’ny mpianatry ny Tompo izany ny mankatoa satria fitiavana an’i Jesoa izay tompointsika izany. Tokony mangataka foana koa isika rehefa mivavaka hoe “ampianareo aho, izahay, hankatoa Anao, Jesoa.”
Mahafantatra ny fiainana Kristiana amin’izao vanim-potoana izao isika raha mba mamantatra sy mandinika — fa tsy mitsara akory nefa izany. Raha mandinika tsara ny fiainan’ireo mpanara-dia an’i Jesoa ao amin’ny Baiboly koa isika dia mahafantatra fa tena mifanalavitra be ny toe-piainan’izy ireo sy ny an’ny Kristiana maro amin’izao fotoana izao. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe samy hafa angaha moa ny finoana Kristiana tamin’izany sy ny amin’izao? Tsia, mitovy ihany satria Andriamanitra iray ary ny Baiboly izay Teniny koa dia tsy miova. Fa ny marina dia hoe tsy lohalaharana eo amin’ny fiainan’ny olona maro intsony ny fiainana ara-panahy. Miha-diso mifantoka amin’ny zavatra hitan’ny maso sy ny fitiavan-karena amin’ny endriny samihafa (matérialisme) loatra ny olona.
Eto i A. W. Tozer dia milaza ny hoe “antonony” fa na izany aza dia efa tsy hita intsony fa mihena mihena hatrany ny haavon’ny fisain’ny olona maro. Na dia ny Kristiana sy ny tontolony amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa azy koa aza dia mampalahelo tanteraka amin’ny ankapobeny. Isika anefa dia natao hanana fiainana be dia be (Jao. 10:10). Tsy resaka “matériel” mihitsy no lazain’ny Soratra Masina eto na dia kely aza fa kalitaom-piainana izay ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany no ahitana azy. Ny antony voalohany mampihetry ny kalitaom-piainanan’ireo maro milaza ho Kristiana dia ny tsy fananana fifandraisana feno amin’i Kristy (Jao. 15:5), ary tsy azo afenina izany fa hita amin’ny voa ety ivelany foana.
Andao ary tsy hitoetra amin’ny antonontonony (médiocre) intsony fa “hiroso amin’ny làlina” hatrany fa izay no nanaovan’Andriamanitra antsika ao amin’i Jesoa Kristy.

A. W. Tozer dia nanamarika ny tantaran’ny Fiangonana, indrindra tamin’ny halalina ara-panahin’ny hafatry ny Filazantsara izay notoriany. Maro ireo boky nosoratany sy namantarana azy ka nampiasaina teo amin’ny fampitaovana sy fampivelarana ny mpino. Mazava be ho an’izay nihaino sy nanaraka ny fampianarany ny hafany, dia hoe mibebaha amin’ny ota, fihino ny hazofijaliana, ka manaraha an’i Jesoa amin’ny fankatoavana feno. Nino izy fa ny fahasoavan’ Andriamanitra ao amin’i Kristy dia natao hampandresy antsika isan’andro.